Misokatra izao ny vondrona momba ny fandikana ny Drupal @ teny malagasy. Ka dia manasa antsika rehetra izay liana hitondra ny anjara birikiny @ izany ezaka izany.
Malalaka sady tsotra ny fandraisana anjara. Manana safidy 2 ianao @ izany:
1. Midirà mpikambana ao @ vondrona "Malagasy translation" (http://localize.drupal.org/translate/languages/mg) dia afaka mandika malalaka ireo andian-teny ao ianao,
2. Mampiasà an'ilay "Localized Drupal install profile" (http://drupal.org/project/l10n_install) dia afaka mandika mivatana avy eo @ solosainao ianao @ izany.
Maniry ny fandraisantsika rehetra anjara @ izany ezaka lehibe izay ka mba ho tratra ilay tanjona hoe "Drupal Malagasy".
Mazotoa.